20/06/2026
"NY ADIM-PANAFAHAN'NY MENALAMBA SY NY VOKANY:100 000 NO MATY,IZAY NO ISA OFIASIALY NAVOAKAN'NY FANJAKANA FRANTSAY"
(Vakio ny tantara,lesona no tsoahy)
Araka ny voalazan' i Savaron dia nahatratra 100.000 ny isan' ireo maty nandritra iny ady nambaran' ny Frantsay fa «fampandrian-tany teto Madagasikara» iny. Misy vazaha ihany kosa anefa manambara fa nahatratra 300.000 ny isan' ireo Malagasy namoy ny ainy. Ny mpanoratra vazaha sasany aza dia nanizingizina mihitsy fa 700.000 teo no matin' ny basy sy ny mosary tany anaty ala rehetra tany.Izay tsy matin' ny tafondro sy ny basy dia naripaky ny mosary. Ny mosary aza angamba dia nahafaty maromaro kokoa noho ny tena ady.
Samy tsy azo raisina anjambany anefa ireo tarehimarika ireo satria avy amin' ny vazaha. ary ny Malagasy izay tsy nampanao fanisana rahateo dia tsy nahitana fanazavana na kely aza.
Sary Fanehoana nefa mahalaza ny zava-misy tamizany.