π™πšπ§πšπ€'𝐒 π“π¬π’π§π£π¨πšπ«π’π―π¨

  • Home
  • Madagascar
  • Ambatolampy
  • π™πšπ§πšπ€'𝐒 π“π¬π’π§π£π¨πšπ«π’π―π¨

π™πšπ§πšπ€'𝐒 π“π¬π’π§π£π¨πšπ«π’π―π¨ πŸš€ β€œNatsangana ity pejy ity ho fanehoana antsika Zanak'i Tsinjoarivo fa manana ny maha izy azy isika ary liam-pandrosoana”

04/07/2026

Dadafaran'iza indray ity πŸ˜‚

Kitio io Suivre manga kely io☝

25/06/2026

πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‡²πŸ‡¬

Ity hiran'i KEN ity no voafidy ho Β« Hira Fanevan’ny Fankalazana ny faha66 taona niverenenan’ny Fahaleovantena Β»

Mirary soa hoazy

Ity hira ity koa no fiarabana antsika MALAGASY TSY VAKY VOLO nahatratra izao tsigerintaona niverenan'ny Fahaleovantena izaoπŸ‡²πŸ‡¬πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‡²πŸ‡¬




11/06/2026

Sombiny t@ hira tany @ bal tany. Inona àry ilay hira izay mahay 🀣?

©️Rht Mamitina

π™πšπ§πšπ€'𝐒 π“π¬π’π§π£π¨πšπ«π’π―π¨
11/06/2026

π™πšπ§πšπ€'𝐒 π“π¬π’π§π£π¨πšπ«π’π―π¨

Tsinjoarivo dia tanΓ na manan-tantara iray eny amin’ny faritra VAKINAKARATRA, amin’ny lalana mankany atsimo, lalam-pirenena faha fito (RN7). Rehefa tonga ao Ambatolampy, dia mivily miankavia, ary mbola 47 km no aleha vao mahatratra an’i Tsinjoarivo.

Io tanΓ na io no misy ny ROVAN'I TSINJOARIVO, toerana fialantsasatra nankafizin’ireo Mpanjaka nifandimby. Tamin'ny taona 1834 no nananganan-dRANAVALONA1 izany toerana izany, ho toeram-pialan-tsasatra ho azy manokana. Any an-tampon-kavoana rakotra ala no misy azy, ary manodidina azy ny renirano ONIVE, izay mikoriana mankany amin’ny hantsana sy riandrano mahafinaritra any amin’ny toerana antsoina hoe AMBAVALOZA sy ANDREMAMOVOKA.

Manana dikan-teny lalina amin’ny fiteny malagasy ireo anarana ireo:

- AMBAVALOZA dia midika hoe β€œπ‘Žπ‘œ π‘Žπ‘š-π‘π‘Žπ‘£π‘Žπ‘›β€™π‘›π‘¦ π‘Žπ‘šπ‘π‘œπ‘Žπ‘‘π‘–π‘Ž"araka ny fahanginan’ny toerana sy ny hakitroky ny zavaboahary manodidina.

- ANDREMAMOVOKAkosa dia midika hoe β€œπ‘“π‘Žπ˜©π‘Žπ‘£π‘Žπ‘Ÿπ‘Žπ‘‘π‘Ÿπ‘Ž π‘šπ‘Žπ‘šπ‘π‘–π‘‘π‘œπ‘›π‘‘π‘Ÿπ‘Ž π‘§π‘Žπ‘£π‘œπ‘›π‘Žβ€, maneho ilay poti-drano sy zavona ateraky ny fianjeran’ny riandrano. Raha mijery avy akaiky, dia ahitanao matetika ny avana kely mamiratra eo ambonin’ny zavona.

Tena mampiavaka an’i Tsinjoarivo koa ny riandranon’Ambavaloza, izay voatonona ho toerana manjavona tanteraka: izay latsaka ao aminy dia tsy tafavoaka velonAndao ho fantarinaahaliana anao dia araho hatrany ny pejy Andao ho fantarina πŸ‡²πŸ‡¬

11/06/2026

πŸŽ‰ FETY BE AO AMBODIRIANA! πŸŽ‰

Ry namana rehetra, aza adino ny fotoana lehibe hiarahana mifaly sy miala voly! πŸ₯³

πŸ“… 26 Juillet 2026
πŸ“ Commune Ambodiriana

✨ Fampisehoana goavana miaraka amin'i:
🎀 BARINJAKA
# MAMATAGANY sy DADANAIVO – hampihomehy sy hampifaly antsika rehetra!

πŸŽ† Hisy afomanga
πŸ’ƒπŸ•Ί Alim-pandihizana
πŸ’πŸ” Sakafo sy tsaky isan-karazany amidy eny an-toerana

πŸ”₯ Tongava maro miaraka amin'ny fianakaviana sy ny namana fa hafinaritra ny ambiance ary tsy hay hadinoina ny lanonana!
πŸŽŠπŸŽΆπŸŽ†

Source: Charly Charly

Tsinjoarivo sy ny hakantonyπŸ“·Toky Nandrianina
13/04/2026

Tsinjoarivo sy ny hakantony

πŸ“·Toky Nandrianina

Salama daholo e!!!Misaotra ny Tompo; misaotra ny Pretra; misaotra ny mpiandraikitra isam-piangonana; misaotra ny tompona...
07/04/2026

Salama daholo e!!!
Misaotra ny Tompo; misaotra ny Pretra; misaotra ny mpiandraikitra isam-piangonana; misaotra ny tompona fanabeazam-peo; misaotra ireo nitondra am-bavaka; misaotra ny vahoaka tsy ankanavaka; misaotra ny mpanakanto fa dia tontosa soa aman-tsara ny omaly. Tsy mbola nisy vahoaka toy izany mihitsy. Tena hoe faly ny mpikarakara. Tsy mba nisy afo manga, tsy mba fanabeazam-peo varatra fa dia tsotra, tsy mba mpanakanto malaza fa mpanao fampihomehezana sy tononkalo, tsy mba mpilalao baolina kalaza fa zanaky ny eto ihany nefa dia niaretanareo hatramin'ny farany. Izaho dia misaotra anareo fa faly tanteraka.
Rababas tia anareo aho e.

©️ Rababas IAndry Bas

Aza adino hatrany manataka ny page tsika
Tsindrio suivre eo ambony☝

Iza no efa tsy mahandry an'ity fotoana ityEntano ny namana dia ndao andeh eh
26/02/2026

Iza no efa tsy mahandry an'ity fotoana ity

Entano ny namana dia ndao andeh eh

24/02/2026

Tena fadio zareo ny mandoro tanety

Mety hoe tsy mandoro ianao fa zarao ny vidΓ©o mba ho fanentanana hoan'ny namanao

Mankasitraka


Address

Ambatolampy

Telephone

+261341120342

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when π™πšπ§πšπ€'𝐒 π“π¬π’π§π£π¨πšπ«π’π―π¨ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to π™πšπ§πšπ€'𝐒 π“π¬π’π§π£π¨πšπ«π’π―π¨:

Shortcuts

Share