GenZ Anôsy

GenZ Anôsy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from GenZ Anôsy, Social Media Agency, Fort-Dauphin, Anosy.

13/10/2025

Midira mp isika Gen z rehetra eto fort-Dauphim, fa misy grp de discusssion-tsika vao2 rehetra ato

📣Fanitsakitsahana ny zon'olombelona no fandraisanay izao ataonareo izao! 📣ary koa RAMATAHORA atao aminay vahoakan'i Fort...
09/10/2025

📣Fanitsakitsahana ny zon'olombelona no fandraisanay izao ataonareo izao! 📣
ary koa RAMATAHORA atao aminay vahoakan'i Fort-dauphin indrindra fa ny Gen Z. Tsy manaiky izao izahay ary tsy hanaiky velively fa vao maika mampivaivay ny tolona tianay hatao ianaoreo .😭😭

HERINANDRO FOTSINY.Herinandro monja ihany no nitolomantsika dia efa betsaka sahady no vita: 💥 ZAVA-BITA TENA NANAMARIKAF...
06/10/2025

HERINANDRO FOTSINY.
Herinandro monja ihany no nitolomantsika dia efa betsaka sahady no vita:

💥 ZAVA-BITA TENA NANAMARIKA
Fihetsiketsehana manerana ny Nosy: Toliara, Antananarivo, Fianarantsoa, Antsiranana, Toamasina ary Mahajanga — namaly ny antso ny firenena iray manontolo.
Diaspora malagasy nihetsika koa: 🇫🇷 Frantsa (sy La Réunion), 🇨🇦 Kanada (Montréal, Québec, Toronto, Vancouver, Ottawa), 🇩🇪 Alemaina, 🇺🇸 Etazonia (New York).
Mihaino antsika izao tontolo izao: voarakitra amin’ny gazety maneran-tany ny tolontsika, niteny ny Firenena Mikambana (ONU), ny SADC, ary masoivoho maro eto Madagasikara.
Nanao laha-teny momba antsika ny Sekretera Jeneraly-n’ny ONU, ny Papa; manakoako erak’izao tontolo izao ny GEN Z Madagasikara.
Nesorina ny minisitrin’ny angovo.
RAVA ny governemanta.
Mahery 170.000 ny mpanaraka ny pejy.
GEN Y, miaraka amintsika, amin’ny lafiny fanohanana ara-lojistika.

✊ ZAVA-BITA HAFA (NEFA LEHIBE IHANY KOA)
Influenceurs eto an-toerana, fikambanan’ny mpianatra, sendikan’ny mpiasan’ny fonja, barreau de Madagascar, ordre des pharmaciens — miaraka amintsika avokoa.
Antsika ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo, tamin’ny talata lasa teo.
Nataontsika niazakazaka teny amin’ny arabe ny jeneraly Bomba.
Fiara miaramila 2 simba — niova toerana ny tahotra, noho ny herin’ny vahoaka.
Ary ambonin’izany rehetra izany, nampiseo isika fa mbola tsy very ireo soatoavina malagasy, firaisankina tsy mbola nisy toa izany.

🌍 MIARAKA AMINTSIKA IZAO TONTOLO IZAO
Influenceurs maneran-tany miresaka momba an’i Madagasikara.
Tanora manerana an’izao tontolo izao manohana antsika.
GEN Z MADAGASCAR lasa mariky ny herim-po, ny fahamendrehana, sy ny ho avy.

💫 HAFATRA HO ANTSIKA
Herinandro izay no nitolomantsika, dia ireo sahady no zava-bita.
Koa maika raha tohizantsika…
Efa nohozongozontsika ny tendrombohitra.
Vao fanombohana izao.
Ny dingana tsirairay dia manan-danja.
Ny feo tsirairay dia ho re.
Manaraka antsika izao tontolo izao — ary miaraka amintsika izy.
HORAKORAO FA MI

Merci à vous on ne vous oublie pas tout ce qui sont loin ✊🏽🇲🇬➡️ Gen Z Madagascar à New York City 🗽Rappel rdv à ankatso d...
29/09/2025

Merci à vous on ne vous oublie pas tout ce qui sont loin ✊🏽🇲🇬
➡️ Gen Z Madagascar à New York City 🗽

Rappel rdv à ankatso demain à 9h00

28/09/2025

Olana lehibe ho an’ny vahoaka Malagasy ny fitiavany olona tokana hitarika azy foana.
Betsaka no mangataka amin’ny Gen Z mba hanana mpitarika iray.
Kanefa tsy izahay no tena olana, fa ilay foto-kevitra izay milaza fa tsy maintsy haverina amin’ny olona iray monja ny fahefana.

Rehefa olona iray ihany no omena hery, dia eo no mipoitra ny fitiavan-tena sy ny kolikoly.
Tsy ny fitadiavana anarana eo an-tampony no vahaolana aloha zao.
Ny tena vahaolana dia fanovana toe-tsaina.

Ny Gen Z eto Madagasikara dia isika rehetra, ianareo rehetra.
Isika rehetra dia mpitarika.
Miasa ho toy ny kollektifa izahay, izay ahafahan’ny vahoaka mandray fanapahan-kevitra ary manana feo ny tsirairay.

Fitakiantsika ny mba hamerenana amin’ny vahoaka ny fahefana, nefa rehefa omena izany ianareo, dia mbola mitady mpitarika ihany…
Izahay kosa milaza hoe: ny herintsika dia ao amin’ny firaisantsika, fa tsy amin’ny anarana eo an-tampony.

Ny fitondrana dia tsy maintsy ho:
Fitondram-panjakan’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka ary ho an’ny vahoaka.

Eto Madagasikara raha hasiantsika mpitondra teny tokana ilay fihetsiketsehana, dia izy no ho CIBLE voalohany hosamborin’ny FANJAKANA. Izay no mahatonga anay ato ambadiky ny pejy mijanona ho anonyme foana aloha, mandra-pisy garanti hoe hisy hiaro ny ainay 😌. Antony lehibe itandremanay ihany koa ny mety ho faharavan’ny pejy sy hampidi-doza anay tanora mpitantana ny pejy.

-

Le problème du peuple Malagasy, c’est qu’il veut toujours se faire guider par une seule personne.
Beaucoup demandent à la Génération Z d’avoir un leader. Mais le vrai problème, ce n’est pas nous, c’est cette idée que tout pouvoir doit revenir à une seule personne.

Avoir un seul leader donne le pouvoir à quelqu’un, et c’est là que l’égoïsme et la corruption apparaissent.
La solution n’est pas de chercher un nom au sommet. La solution, c’est de changer de mentalité.

La Génération Z à Madagascar, c’est nous tous, c’est vous.
Nous sommes tous des chefs. Nous fonctionnons comme un collect

28/09/2025

Mitaky ny Fametrahapialan'i Praiminisitra Ntsay Christian izahay✊

Address

Fort-Dauphin
Anosy

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when GenZ Anôsy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share