Irma, Virtual Assistant II

Irma, Virtual Assistant II Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Irma, Virtual Assistant II, Internet Marketing Service, Sabotsy namehana, Antananarivo.

Feno ny toerana !!! Tsy misy places intsonyIalana tsiny amin'ireo mbola vao hieritreritra Après an'ito dia amin'ny 2027 ...
21/09/2026

Feno ny toerana !!! Tsy misy places intsony

Ialana tsiny amin'ireo mbola vao hieritreritra

Après an'ito dia amin'ny 2027 indray vao misy formation présentielle eto Antananarivo !

Raha tsy nahatratra ianao dia azonao atao koa ny manaraka ny fomation en salle any Antsirabe ny 6 et 7 novembre

Misy ihany koa ny formation individuelle ( en ligne ) ( mois de novembre )

N.B : Raha tsy ho afaka ianao tompoko dia iangaviana mba ampilaza avant ny 1er octobre.
Dilan'izay dia tsy afaka mamerina acompte intsony izahay. Satria dia toerana tokony ho an'ny hafa izay vonona sy afaka io toerana io )

Izay ary fa dia mirary soa antsika rehetra tompoko.

Fanontaniana tany amina groupe hafa tany. Valiny : tsy misy tompoko.Voalohany, tsy mora ny miasa en freelance, n'inon'in...
21/09/2026

Fanontaniana tany amina groupe hafa tany.

Valiny : tsy misy tompoko.

Voalohany, tsy mora ny miasa en freelance, n'inon'inona services ho proposer nao.

Tsy mora ny mitady clients.

Raha mora ity asa ity dia mino aho fa nihena ny embouteillage fa tsy nandeha nivoakan'ny trano intsony ny olona raha hiasa fa iasa ao antrano ihany.

Ary tadidio foana fa ny zavatra tsara tsy mba mora azo izany, na inona na inona, n'aiza n'aiza.

Tsy misy miracles ka hoe miditra site na miditra plateforme na hoe vao nahavita formation dia tonga dia hisy clients iantso.

Fa mila mihetsika ianao.

Mila actions.

Mila fahaizana mitady azy.

Mila faharetana ihany koa.

Ny clients tsy handany vola amin'ny olona tsy fantany loatra.

Ny clients tsy handany vola amin'olona tsy mahay ny asa ampanaoviny.

Ny clients betsaka fa mila tadiavina, resena lahatra fa tena mahavita azy ianao, mila actions tsy tapaka isan'andro

Izay anie ilay hoe miasa tena e.

Izay ihany koa no mahatonga anay manao prospection, manao publications foana, eny fa na dia efa feno aza ny agendas anay.

Itsinjovana ny ampitso.

Hoe raha misy clients lasa ohatra, dia mba tonga dia misy solony eo.

Ary farany, izay services mifanentana aminao sy hainao ary possible ho hainao tsara no atao, satria izay ilay hoe mivarotra ny fahaizan'tsika isika.

Fa mialohan'izay, ataovy hay tsara aloha ireo services ho proposer-na

Ataovy ampy tsara aloha ireo points tadiavin'ny mpanjifa

Izay ianao vao mivarotra.

Fa misy akony be ireo rehefa hitady clients ianao.

Izay ianao vao mitady clients.

Izay a.

Tsy mora saingy possible tsara rehefa mahay azy, mahay ny tokony atao rehetra ary maharitra ianao.

------

Formations disponibles :

- Formation individuelle en ligne ( Novembre indray vao misy, Janvier ihany koa)

- Formation en présentiel :

Antananarivo ( efa feno )

Antsirabe ( kely sisa)

Afaka manantona ao amin'ny MP raha mila fanazavana fanampiny

19/09/2026

🚫⛔️ Iangaviana indrindra izay nandefa acompte kanefa tsy mbola nandefa ny capturen'ny paiement envoyé, ny anarana feno ary ny contact aty aminay mba andefa izany azafady o !!!! 🚫

Mankasitraka tompoko.

ANTSIRABE : Rahampitso ny farany amin'ilay réduction de 20%.Vonjevonjeo fa efa misasaka ihany koa ny places disponibles ...
19/09/2026

ANTSIRABE : Rahampitso ny farany amin'ilay réduction de 20%.

Vonjevonjeo fa efa misasaka ihany koa ny places disponibles ato.

Ohatran'ny hoe nifanao fotoana androany daholo ianareo any nanao réservation.

Aza adino ny mandefa acompte ary mandefa ny capture. anarana feno ary contact, rehefa lasa ny acompte-nareo azafady.

Après ny 20 septembre dia miverina normal ny prix antsika.

Ny an'ny Antananarivo, 1 sisa ny toerana.

Izay fa bon week-end daholo eeee

“Tsy voatery hoe izay mety amin'ny hafa dia mety aminao koa.”Betsaka izao no liana amin’ny metier d’Assistante Virtuelle...
19/09/2026

“Tsy voatery hoe izay mety amin'ny hafa dia mety aminao koa.”

Betsaka izao no liana amin’ny metier d’Assistante Virtuelle.

Miasa any an-trano, afaka mandamina ora, miaraka amin’ny zanaka, ary afaka mahazo clients avy any ivelany, tena mahasarika tokoa.

Fa tandremo sao ny lamaody fotsiny no mahatonga anao hisafidy azy.

Ny assistanat virtuel dia mila:

👉 Fahaiza-mandamina
👉 Fahaizana miserasera
👉 Fahamatorana sy fifehezan-tena
👉 Ary indrindra, fahavononana hianatra sy hiasa.

Tsy hoe satria mahomby i Rabe na i Rasoa dia midika hoe ho mora aminao koa izany.

Ny asa mety amin’ny olona iray dia tsy voatery ho mety aminao ihany koa.

Koa alohan’ny hidiranao amin’ity sehatra ity, adihadiho tsara aloha hoe:

-Tena tiako ve ity asa ity?
-Mifanaraka amin’ny fahaizako ve?
-Vonona hianatra sy hanorina izany tsikelikely ve aho?

Dia izay vao manapa-kevitra.

Raha te isehatra amin,ny resaka AV ianao, dia misy formation azo isafidianana ato aminay:

- Formation individuelle personnalisée en ligne
Par visio, Daty azo isafidianana, andro fiasana na Sabotsy.

- Formation : Devenir AV en administration – Antananarivo
10 – 17 – 24 Oktobra
9h – 15h
Présentiel ao amin'ny HPI Andranomena

- Formation : Devenir AV en administration – Antsirabe
6 – 7 Novambra
9h – 15h
Présentiel ao amin’ny Athena Center Antsenakely, Antsirabe

👉 Te hahafantatra raha mety aminao ny métier d’Assistante Virtuelle?

Mandefasa commentaire na message privé.

Ny formation tsara dia tsy mitondra anao any amin’izay alehan’ny rehetra, fa manakaiky anao amin’izay tena tanjonao.

Tena olona 2 sisa no azonay raisina tompoko amin'ilay formation " Devenir AV en Administration" eto Antananarivo ny 10-1...
18/09/2026

Tena olona 2 sisa no azonay raisina tompoko amin'ilay formation " Devenir AV en Administration" eto Antananarivo ny 10-17-24 ho avy izao.

Be dia be ianareo no liana fa io 2 io sisa no alainay mba hanamora ny "suivi" anareo rehetra.

Eny na dia mbola amin'ny octobre aza dia fenonareo aingana ny toerana.

Koa izay mahatonga avance na acompte aloha amin'ireo no ho rasinay farany tompoko.

Afaka manantona ao amin'ny MP raha mila fanazavana fanampiny.

Azonao atao ihany koa manenjika ilay any Antsirabe ny mois de Novembre raha mety aminao.

Mankasitraka indrindra tompoko !!!

Te hiavaka amin’ny hafa ve ianao? Te hitazona ny mpanjifanao ve? Te ahomby?👉 Aza faly maka tahaka ny hafa fa asehoy ny t...
18/09/2026

Te hiavaka amin’ny hafa ve ianao? Te hitazona ny mpanjifanao ve? Te ahomby?

👉 Aza faly maka tahaka ny hafa fa asehoy ny tena maha ianao anao .
👉 Ataovy laharam-pahamehana ny fahafaham-pon’ny mpanjifanao.
👉 Ary indrindra, ataovy amin'ny fahamarinana hatrany ny zavatra atao rehetra.

Betsaka ny olona mahay.
Fa ny olona mahay sady manana izay "personnalité " miavaka izay, dia tsy mora soloina.

Ary mety ho izay mihitsy no hahatonga ny mpanjifanao hisafidy anao sy hijanona aminao foana.

Raha te hampivelatra ny fahaizanao sy hisehatra amin’ny Assistanat Virtuel kosa ianao, dia misy formation azo isafidianana ato aminay :

- Formation individuelle personnalisée en ligne
Par visio, Daty azo isafidianana, andro fiasana na Sabotsy.

- Formation : Devenir AV en administration
10 – 17 – 24 Oktobra
9h – 15h
Présentiel ao amin’ny HPI Andranomena

- Formation : Devenir AV en administration
06-07 Novambra
9h-15h
Présentiel ao amin’ny Athena Center Antsenakely Antsirabe

👉 Te hahafantatra bebe kokoa?
Mandefasa message privé ary

Cas efa nisy ny ohatran'izao.Maika be amin'ilay hoe nahazo clients.Tsy nianarana akory ilay asa, tsy nianarana ilay outi...
17/09/2026

Cas efa nisy ny ohatran'izao.

Maika be amin'ilay hoe nahazo clients.

Tsy nianarana akory ilay asa, tsy nianarana ilay outil.

Nandainga tamin'ny entretien hoe hay daholo ireo compétences tadiavin'ilay client.

Ny client koa nihevitra fa efa mahay ianao matoa mivarotra compétences na fahaizana aminy (izay ilay hoe AV na Assistance virtuelle e).

Fa dia naha voavafa ny ankamaroan'ny données tao amin'ilay outils fampiasain'ny client izy

Données tena hoe importantes, satria dia nandritrin'ny taona maro no nanangonana azy tao.

Voafafa daholo tao anatin'ny indray mi-pi maso

Satria tsy hainy no tsy nianarany fa dia nokitihana foana.

Natao fotsiny izay nahazoana ilay client.

Eh !!! Ny client matoa maka antsika dia antenainy fa tena mahay sy mahavaha olana isika.

Tsy manam-potoana ampianarana izy fa ny fahaizanao no ilainy, ny fotoana laninao manampy azy no andoavany vola.

Izay anie ilay ianarana azy io anie vao miroso raha toa ka tsy mbola hay e.

Fa indrindra koa, milazà ny marina foana amin'ny zavatra hainao sy tsy hainao fa tsy hoe maika ahazo clients.

Ka izao, na hanao formation ianao na tsia, ataovy aloha izay ahaizana ny asa na services ho proposer nao, miaraka amin'ireo outils, izay vao miroso amin'ny fitadiavana clients.

Am-pitiavana be 😉

( Sary nalaina tao amina groupe iray )

Raha te ho lasa lavitra amin'ny zavatra iray dia fenoy olona mitovy tanjona aminao ny manodidina anao.Tsy misy afaka ny ...
17/09/2026

Raha te ho lasa lavitra amin'ny zavatra iray dia fenoy olona mitovy tanjona aminao ny manodidina anao.

Tsy misy afaka ny hi " comprendre" anao

Tsy misy afaka ny hanome hevitra tsara ho anao

Tsy misy afaka ny ampiakatra ny "motivation" anao

Raha tsy olona manao ilay asa ataonao na efa nandalo teo amin'ny toeranao.

Ataonao ahoana ny hanaraka ny vahaolana aroson'ny hafa raha tsy mbola ary nataony na fantany akory na nandalovany ilay lalana diavinao amin'izao ?

Ny mpiofana ato aminay dia omena hevitra foana ny idirana amun'ireny groupe na page na réseau manao asa mitovy amin'ity Assistance virtuelle" ity avokoa.

Eny, manampy ireny.

Ho anao izay efa niofana tamiko ( Approfondie) ihany koa dia azonao atao foana ny manontany na maka hevitra raha sendra misy olana.

Sao dia mba efa nandalovako ilay diavinao ao anie ee !

--------‐-------------------------------------

Mbola mitohy ny inscription amin'ireto formation ireto :

- Formation individuelle ( en ligne, par visioconférence) - Dates au choix ( Novembre)

- Formation " Devenir AV en administration" - 10-17-24 octobre HPI BP WORK SPACE - 330.000 ar ( 4 places restantes)

- Formation " Devenir AV en administration" - Antsirabe - 06 et 07 novembre - Athéna Center Antsirabe - 230.000 ar

Réservation et inscription : mila mandoa avance na acompte foana tompoko.

Izay ary fa dia bon appétit daholo indray e !

Efa mamaly ny message-nareo rehetra izahay ato e :) :)Be dia be ianareo ao. - Ao ny efa nahavita réservation sy inscript...
16/09/2026

Efa mamaly ny message-nareo rehetra izahay ato e :) :)

Be dia be ianareo ao.

- Ao ny efa nahavita réservation sy inscription, na koa ireo efa niofana taloha ka misy fanontaniana na mila fanampiana ( ireo no tena prioriser-nay foana alohan'ny rehetra satria efa nahatoky anay)

- Ao koa ianareo vao haka informations ( asainay ianareo hamaky ireo publications mandra-pahatongan'izay satria dia matetika efa voavaly ao daholo ny "informations" ilainareo tompoko)

- Ao koa ianareo izay manana cas manokana ( fiaraha-miasa, tsy resaka vola, conseils, etc.)

Hahazo valiny daholo ianareo tompoko.

Somary repotra kely izahay tato ato fa ialana tsiny indrindra.

Izany eo ihany fa 4 sisa ny toerana ho an'ny formation "Devenir AV en Administration" - en salle - amin'ny octobre ho avy izao ao HPI BP WORK SPACE

Raha any Antsirabe ianao, dia ao amin'ny Athéna Center Antsirabe, ny fotoanan-tsika ny 6 et 7 novembre 2026

Raha any amin'ny faritra na any ivelan'ny Madagascar ianao dia misy ny formation individuelle en ligne. Mila misafidy dates ianao ao anatin'ireo dates disponibles ato aminay.

Izay fa mankasitraka tompoko.

Sary nandritrin'ny formation individuelle tamin'ity herinandro ity.
Oui, tsy araka raha sady manenjika formation no manenjika ny asan'ireo clients fa tsy maintsy mila fanampiana amin'ny asa foana.

Address

Sabotsy Namehana
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Irma, Virtual Assistant II posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share