F5 Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from F5, Graphic designer, Antananarivo.

07/03/2023
24/01/2023

Can You Feel The Love Tonight (The Lion King) - Elton John (Boyce Avenue ft. Connie Talbot cover)

Tsara ho fantatra
23/01/2023

Tsara ho fantatra

Ny tokony atao rehefa manao "Balance" na "SoundCheck".

Ny balance dia tsy fanaovana répétitions na famerenana. Fotoana tena lehibe io ho an'ny Ingénieur na Technicien son hahafahany manao ny asany. Raha ny tokony ho izy dia tokony efa hoe eo daholo ny mpandray anjara rehetra.

Ny zava-misy matetika dia misy mpitendry tara foana ary misy hoe "tonga dia ataovy ao dia rehefa avy eo aho manenjika e". Iny no anisan'ny olana. Alaivo sary an-tsaina hoe mahandro sakafo ianao dia hoy ilay sira hoe "alaivo sary an-tsaina aho hoe efa misy dia rehefa hihinana ianareo dia afaka araraka foana aho e"

Rehefa manao balance dia asesy tsirairay avy isaky ny mpandray anjara (ny batterie matetika no somary ela satria eo aminy no betsaka sources sonores indrindra) ary raha ny tokony ho izy dia ny tena fitendry no atao fa matetika misy mpitendry matahotra ny tsy ho heno no dia mitendry mora rehefa balance dia rehefa tena mandeha ilay seho vao mitendry mafy ary manova sy manimba zavatra be mihitsy izy io ho an'ny teknisianina.

Ny mpihira ihany koa dia manao ny fanandramana ny micro ary tsy ilay un deux un deux no tena atao fa ilay feony mihira mihitsy : mora, mafy, miteny, etc... satria misy fanamboarana isan-karazany ary samy manana ny azy ny tsirairay. Afaka ohatra hoe miteny ny mpitendry clavier hoe ampiana guitare solo ao amin'ny retourny, na hoy ilay batteur hoe hanasorana ilay guitare basse fa mafy loatra ao aminy, etc...

Rehefa vita tsara ny balance ary afa-po ny teknisianina sy ny mpandray anjara (izany hoe afa-po tsara amin'ny hamafin'ny retours, ny toerana, ny fipetrahan'ny fitaovana,...) izay vao afaka manao famerenana ny tarika :)

Rehefa tena spectacle lehibe dia hafa ny technicien manao ny façade na front of house, hafa ny manao ny retours, hafa ny manao ny diffusions, hafa ny manao ny enregistrements ka izany rehetra izany no mampatonga an'ilay hoe andro maromaro ny fanomanana.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when F5 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share