07/07/2026
Rehefa mijery ny commentaire anareo tsirairay aho de nahita fa tena misy matoky tena be ry reto aminareo a😀
Tena hoe ny ao an-tsaina sy mijery ilay fanehoan-kevitra de hoe ataovy 1 fa aza zarazaraina fa zah no ahazo an'io😊ary tena mandray ny lalao amin'ny lafiny tsara foana, fa tsy mamela ny eritreritra ratsy
Tena mahafaly mihintsy ny mahita anareo matoky tena♥️
Enga anie ka ho toy izany hatrany no fomba hiatrehantsika ny fiainana: "Tsy maintsy vitako ity,tsy maintsy azoko ity,ary ho ataoko ity"🙏
Ny fahatokisan-tena no iray amin'ireo fanalahidy lehibe mankany amin'ny fahombiazana✨
Rehefa mino ny tenanao ianao dia vao mainka mahazo hery hiatrika ny sakana rehetra, ary manakaiky kokoa ny tanjonao💪
Satria ahoana moa no hahatongavan'ny fahombiazana eo amin'ny fiainanao raha ianao aza tsy mino ny tenanao fa mety ahavita zavatra,ho tsara vintana ary ahazo izay iriana😬
Tsy tokony ho ibahana ao an-tsaina mihintsy ny hoe tsy ho vitako angamba,tsy ho azoko akory, tsy ho tsara vintana aho😏
Matetika, ny dingana voalohany mankany amin'ny fahombiazana dia ny finoanao ny tenanao fa afaka ny ahomby ianao🥰
NB:tsy mbola izy ilay nahazo an,fa nahaliana kely ilay coms,misy maromaro vitsivitsy izy ao😁
Fa alefantsika daholo aloa ny cadeau an'izay mbola taraiky aty dia alefan-tsika eto rahampitso hariva ohatr'izao ny topic an'ilay jeu 20.000ar zaraina 10 satria io aloa no be safidy indrindra dia io no ataontsika 😃
Izay fa bonne nuit daholo dia manofisa mamy be 👋❤️