13/09/2026
NY ANY AMBADIKA ANY
Rehefa niezaka nijery tsy nitanila, dia nahazo ireto vokatra ireto ny omaly maraina.
Raha ny andavanandro, dia miezaka mizara sy mampiseho ny endrika mahafinaritra , ohatra hoe ilay tanimbary sy ny hazavana vao maraina , miampy ny loko mirindra sy malefaka.
Ao ambadi'izany nefa dia misy ny olona miasa mafy ,ao anatin'io vokatra tsara endrika be io. Mifoha maraina, miady amin'ny loto sy aretina, miasa mafy mba ahazoana ny anjara sakafo anio.
Etsy indray, mahita ireto biby fiompy ireto, toa mahafinaritra ery mijery azy antani'ilay tsikafina... Kanefa, rehefa tena nojerena ny toerana , dia sady maloto no mety ahafaty azy.
Ary farany, ilay fitaovana tazana matetika an-davanandro, indraindray tsy afaka mivoaka, dia voatery miala ny tanàna, mba hitady izay mahasoa eny andrenivohitra... Ny mpitarika maka aina, miala sasatra, na mety hoe marary sy tsy mahavita intsony...
Izany ny fiainana any ambadika any...
www.yourphotographer.mg
🇲🇬