29/11/2024
Community manager : Poste sy asa manan-daja amin’izao vanim-potoana izao ➡️
Inona marina ny atao hoe community manager, na CM ?
Ny CM dia azo ambara hoe “Gestionnaire de communauté” izany hoe misahatra eo @ fandaminana sy fanentanana communauté ao @ Tambazotra na réseaux sociaux izay efa be mampiasa raha resaka publicité numérique no resahina.
Ny CM acteur principal @ karazana stratégie marketing an’ny orinasa na réseau iray. Miandraikitra ny fitantanana sy ny fanentanana ary ny fosokajiana ireo communauté ny CM, na any anaty réseau izany na any anaty forum, na ireo sehatra manokana.
Tsara marihina fa tsy mijanona amin’ny fitantanana compte fotsiny ny andraikiny, afaka manao modération sy mamaly commentaire koa ny CM.
Eny, ny community manager no endrika nuérique an’ny orinasa iray. Izy no solontenan’ny marika, mamorona sujet mahaliana sy mampiray, ary miantoka ny fifandraisana matoky amin’ireo mpiserasera na ireo mpanaraka ny réseau.
Ny takiana @ ny CM dia ny fahakingana eo @ famaliana client, mamaly fanontaniana, mitantana ireo commentaire – na tsara na ratsy – ary miantoka ny fitohizan’ny échange mba hitazonana endrika tsara sy mifanaraka amin’ny orinasa.
Ankoatra ny asa fanentanana, dia manana andraikitra stratégique ihany koa ny CM. Amin’ny alalan’ny fijerena vaovao tsy tapaka, dia mandinika ny fironana izy, manara-maso ireo concurrent, ary mamantatra ny fotoana mety hampitomboana ny visibilité an’ny marika.
Farany, ny fahaizany manoratra, mamorona sary na visuel, ary mandinika ny tendance misy dia ahafahany manatsara ny campagne de communication an’ny orinasa na ny réseau hiasany.
Raha fintinina, ny andraikitry ny community manager dia fitambaran’ny famoronana, fahaizana mihaino, ary famakafakana, mahatonga ity asa ity ho tsy azo ihodivirana ho an’ny orinasa rehetra te-hahomby amin’ny tontolo’ny numérique sy ny réseaux sociaux.
Raha mahaliana anao ary ny te hahafantatra mismisy kokoa ny momba io asa io dia azonao atao ny manantona anay ao @ MP. Afaka manoro hevitra anao izahay, afaka mampianatra anao ny atao hoe CM, ary afaka manome formation ho anao raha ilaina izany.
Mankasitraka ary mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra. 😉