14/09/2026
MANANA 10K FOLLOWERS IANAO
NY CONCURRENT MANANA 10K VENTES
Ry namako malala manana 10K Followers,
Tsarovy ity lesona 1 ity amin'ity herinandro ity:
Ny Followers tsy mitovy amin'ny Ventes.
Mety manana 10K mpijery ianao, fa raha 0 ny paikady, dia 0 ny vola miditra. Ny concurrent anao tsy manana 10K followers, fa manana 10K ventes isam-bolana satria manana SYSTEM izy.
Torohevitra 3 Mitondra Fahombiazana amin'ity herinandro ity:
1. Atsaharo ny mivarotra vokatra, manomboka mivarotra vahaolana. Tsy mila t-shirt ny olona, mila fahatokisana izy. Tsy mila crème izy, mila hatsarana. 2. 1 Post = 1 Objectif. Tsy atao be resaka. Raha post mampiseho vokatra ianao, ny objectif dia MP. Raha post fampianarana, ny objectif dia Confiance. Mazavao. 3. Boosteo ny post efa nahomby, fa tsy ny vaovao. Jereo ny stat: inona no nahazo partage be indrindra? Izy no alefa vola $3. Aza manandrana vintana.
Motivation:
Tsy mora ny mitantana page. Mahakivy ny mahita olona manao j'aime fotsiny fa tsy mividy. Fa tsarovy: ny 10K followers anananao io dia harena tsy ananan'ny maro. Harena matory fotsiny izy io. Ny asanao amin'ity herinandro ity dia ny manaitra azy.
Aza matahotra ny concurrence. Ny concurrence mampianatra anao fa misy marché. Ny asanao dia ny ho tsara lavitra noho izy.
Firarihantsoa:
Mirary herinandro feno fahombiazana, feno commande, ary feno fianarana vaovao ho anao aho. Enga anie ny Page-nao hitondra Fahombiazana tena izy amin'ity herinandro ity, fa tsy j'aime fotsiny.
Mijoroa, miheza miasa. Ny fahombiazana tsy tonga amin'ny miandry.
Mitondra Fahombiazana ✨
Mr Billy - Technicien Favori Booste Page