25/06/2025
Fasam‑bahiny Anjanahary. Fantatrao ve ny momba azy?
Betsaka no tsy mahalala fa manodidina ny taona 1880, talohan’ny fanjanahantany, no naorina tao Anjanahary ny fasam‑bahiny (na fasam‑bazaha) ho fasan’ny vahiny maty teto Madagasikara, indrindra ireo mpiasa, mpiasam‑panjakana, ary miaramila frantsay niaina ka maty teto
Misy eo ho eo 12 hektara ilay toerana, mbola hita mavitrika sy azo tsidihana izany tany voalohany natao handevenam-bahiny izany, ary taty aoriana nampiasaina hanomezana toerana ho an’ireo Malagasy tsy nanana fasana teto an‑tanàna
🎖️ Anisan’ny milevona ao: Jacques Rabemananjara (mpitarika MDRM tamin’ny 1947) sy Jacques Sylla, praiminisitra teo aloha
Ny tsara ho fantatra
- Toerana mitantara ny fifangaroan’ny kolontsaina sy ny tantaram-panjakana eto Madagasikara.
- Toerana iray tsy dia be mpafantatra amin’izao loatra kanefa manan-danja amin’ny tantara sy ny maha-izy azy ny tanindrazana.
💬 Ary ianao? Mahaliana anao ve ny mba hitsidika, hijery izany an’Anjanahary izany, na hianatra momba ireo fasana manan-tantara eto an-drenivohitra izany?
Source: Moov.mg