13/08/2026
▶️Notanterahina ny alakamisy 13 aogositra tao Mahajanga, ny fakan-kevitra na Loabary an-dasy, izay nahafahan’ireo mpanabe niresaka an-kalalahana, nizara traikefa ary nametraka soso-kevitra mifandraika amin’ireo olana sy fanamby sedrain’ny sehatry ny fanabeazana. Ireo hevitra sy fehin-kevitra nivoaka tamin’izany dia hoentina amin’ny ''Concertation Nationale'', mba hahafahan’ny feon’ny mpanabe avy eny ifotony mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra nasionaly.
▶️Ny tanjona lehibe dia ny hahatonga iray ny Mpanabe manerana ny Nosy, ho mariky ny firaisankina, ny fifankatiavana ary ny firaisan-kina eo amin’ireo mpanabe Malagasy, na aiza na aiza misy azy ireo.
▶️Zava-dehibe ihany koa ny mampahatsiahy fa tsy voatery mitaky fotsiny ny mpanabe, fa tokony ho mpiara-mitondra vahaolana ihany koa. Ny fitarainana dia tokony hiaraka amin’ny soso-kevitra, ny fanoloran-tena ary ny hetsika azo tanterahina, satria ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana dia andraikitra iombonan’ny rehetra.
▶️Ny VMM dia manentana ny mpanabe rehetra mba hijoro, hifanome tanana ary hitondra ny anjara birikiny amin’ny fananganana rafitra fanabeazana tsara kalitao, mahomby ary mifanaraka amin’ny filàn’ny mpianatra sy ny firenena.
▶️Mijoro ny mpanabe, mihaino ny mpanabe, mandray andraikitra ny mpanabe — ho an’ny fanabeazana tsara kalitao sy ho an’ny hoavin’ny taranaka Malagasy.
💪VMM:"Ny fanabeazana fototry ny firenena"