28/04/2024
Alahady ny andro mba atao mendindy ny laoka anio e!
Akoho sy tongolo gasy ary voatabia.
Fangaro ilaina:
- fen'akoho 4 na zay tiana
- tongolo gasy 4, voatetika
- voatabia 4 notapatapahina
- menaka
- sira sy dipoavatra
- persil na kotomila (tsy voatery)
Torolàlana:
1. Afangaro ny akoho sy dipoavatra ary sira
2. Afanaina amin'ny afo malefaka ny menaka ary endasina mba ho mendimendy tsara ny akoho mandritra ny minitra vitsivitsy.
3. Rehefa mendimendy tsara ny akoho dia arotsaka ao anaty vilany ny tongolo gasy voatoto ary endasina miaraka amin'ny akoho mandritra ny iray minitra.
4. Avy eo dia arotsaka manodidina ny akoho ny voatabiha voatetika madinika.
5. Marihina fa andrahona @ afo malefaka hatrany ary andrahoy mandritra ny 20 ka hatramin’ny 25 minitra eo ho eo. Afaka asiana rano kely raha tiana.
6. Rehefa masaka ny akoho ary efa malefaka ny voatabia dia arotsaka ny kotomila na persil ary esory amin'ny afo ny vilany.
Afaka haroso amin'ny fianakavihana na vahiny amin'izao alahady izao.
Mazotoa ary O!