31/01/2025
TAPAHO NY ROHY RATSY TANY ALOHA!
Raha nobeazina tao anaty tokantrano feno herisetra ianao, aza avela hivelatra amin’ny taranakao izany. Ataovy ny ezaka hanova izany tantara izany.
Raha niaina tao anaty fahantrana ny fianakavianao, aza manaiky hijanona amin’izany. Mianara, miasa mafy, ka mba ianao no ho fiandohan’ny fanovana.
Raha tsy vita fianarana ny ankamaroan’ny fianakavianao, meteza ho olon-kafa. Miezaha handresy ny sakana rehetra ary hazòny hatramin’ny farany.
Raha feno fisaraham-panambadiana sy tokantrano rava ny tantaranareo, meteza ho olona hamoaka tantara hafa. Ataovy mafy o***a ny fianakavianao, ao anatin’ny fitiavana sy fahazotoana miara-mandroso.
Raha lazaina ho maditra sy ratsy fitondran-tena ny fianakavianao, ovay io sary io. Meteza ho ilay olon-kendry hanova ny fomba fijery anareo.
Raha feno alahelo, fifandrafiana, na tantara maizina ny fianakavianao, aza avela hahazo vahana amin’ny taranakao izany. Aoka ianao ho loharanon’ny fandriampahalemana sy fifaliana.
Tsy hoe satria nanao fahadisoana ny fianakavianao, dia ho tahaka izany koa ianao. Tianao izy ireo, fa tsy voatery hanaraka ny diany ianao. Ataovy hoe: "Tonga hatreto ny fahazaran-dratsy, fa tsy hiampita amin’ny taranako intsony!"
Tsy nifidy fianakaviana nipoirana ianao, fa azonao atao tsara kosa ny manapa-kevitra hanova ny tantaranao, sy ny hoe inona no lova tsara avelanao ho an'ny taranakao.
TAPAHO NY ROHY, ATAOVY FAHASOAVANA NY HOAVIN'NY TARANAKAO!