03/05/2026
EMBONA ( nosoratan'i Tanicus ho valin-kira ho an-DRabearivelo )
Fa hay ve ny rivo-mandalo dia sahy
Nanaitra tsy satry ny foko natory
Ka nety nitondra fitserana ho ahy
Dia tsetra nipongatra tsy hitako akory.
Ny saha fatorian'ny fanadinoana
Dia efa nangina sy ntaolo dia ntaolo
Efa rakotry ny andom-pisentosentoana
Tsy misy mpisaina toa vohitra haolo.
Kanefa maninona kosa ary, hoy aho
Ilay takom-perin'ny fo nitadidy
No mety nandefa ny ran'ny talaho
Hitobaka anaty kapoaka mangidy.
Tsaroako va re irony andro fahiny
Izay nampisendoatra fanahy falifaly
Ny fasana ve no omeko tsiny
Satria izy ihany no toa mampijaly?
Satria hofan-tanana tokana monja
No nanankambanany ho olona iray
Kinanjo hampidiriny anatin'ny fonja
Dia fonja hirindrina mandrakizay.
Ny fahafatesana... fantatra ny asany
Ka moa hahagaga mangina e, ry foko
Ny fahatsiarovana ny havana lasany
Dia mampitambesatra ziogan-toloko.
Atao hoe mihodina, hono, ny tany
Ny fiainana, hono, misolo, misolo
Ny masoko angaha mahadinika izany
Rehefa misento izy, vontona daholo.
Misosa, misosa eny ihany ny taona
Ka toa tsy tsaroana ilay ora sy daty
Tometra ny fo dia alàna ny saona
Ny fahatsiarovana anefa tsy maty.
Ny lokon'ny lanitra ve no jerena
Ka dia hampisento ny vohon'ny tany?
Raha mbola ho fotsy, na mainty io na mena
Lalàna ... tsy maintsy manaloka hatrany!
Samuel Ratany
Raha tia hanaraka KALOKALO sy TOROHEVITRA KoLontsaina malagasy ianao ary TOROHEVITRA sy Zava-kato, ZAVA-MIAFINA de kitioAlexe meilleur