10/09/2026
👉SAMBAVA : COCAÏNE 2,5 GRAMA SY 80 TAPITRISA AR SARONA.
________
🔴Olona telo no naiditra am-ponja vonjimaika tao Sambava, Faritra SAVA, taorian’ny fampanoavana azy teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, ny 9 Septambra 2026, noho ny raharaha mifandraika amin’ny fivarotana sy fanaparitahana zava-mahadomelina mahery vaika, dia ny Cocaïne.
🟡Ny GAPJ SAVA no nisambotra ireo telolahy ny 7 Septambra, ka nandritra ny fisamborana dia nahatrarana Cocaïne milanja 2,5 grama sy vola mitentina 80 tapitrisa Ariary, izay voalaza fa vola azo tamin’ny fivarotana zava-mahadomelina. Araka ny fanapahan-kevitry ny Tonia Mpampanoa Lalàna, dia napetraka ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny vola nogiazana.
Na dia efa voasambotra aza ireo olona telo ireo, mbola mitohy sy hitarina ny fanadihadiana, satria ahiana mbola misy olona hafa ao ambadik’ity tambajotra ity.
👉 Miantso ny olom-pirenena ny tompon’andraikitra mba hifanome tanana amin’ny fampitana vaovao momba izay tranga mety hifandraika amin’ny fanaparitahana zava-mahadomelina.
______
Bertrand Radio Mangarahara