Mahaliana

Mahaliana M

⚠️ FILAZANA HO AN'NY DAHOLOBEMety hangalarina tsy misy fampandrenesana ny kaontinao Mobile Money!Mila mitandrina tsara i...
08/05/2025

⚠️ FILAZANA HO AN'NY DAHOLOBE

Mety hangalarina tsy misy fampandrenesana ny kaontinao Mobile Money!

Mila mitandrina tsara isika rehetra. Misy fomba fanafihana vaovao antsoina hoe SIM SWAP FRAUD izay efa nahavoa olona maro.

Ahoana ny fomba fiasany?

1/Fanafihana SIM SWAP:
Hiafara amin'ny tsy fisian'ny tambajotra (tsy misy signal / bara 0) ny findainao tampoka. Rehefa afaka fotoana fohy, dia hisy antso hiditra.

1/Ilay mpanao antso dia hilaza fa avy amin'ny tambazotran'ny findainao izy (miankina amin'ny mpanome tolotra misy anao) ary milaza fa misy olana amin'ny tambajotrao.

3/Angatahiny ianao mba tsindrio ny 1 amin'ny findainao mba hanarenana ny tambajotra.

# Amin'io fotoana io, aza manao na inona na inona. Aza miteny na tsindry na inona fa tapaho avy hatrany ny antso. Raha tsindrinao ny 1, dia hiseho tampoka ny tambajotrao, saingy vetivety dia tsy hisy signal indray. Izany no fanombohan'ny fanafihana, ary hangalarin’izy ireo avy hatrany ny kaontinao sy ny vola ao anatiny.

Izao no mitranga:
Ho toa tsy misy tambajotra ny findainao, nefa efa nosoloina SIM hafa ny nomeraonao.

Ny loza:

Tsy hahazo fampandrenesana momba ny fifanakalozana ianao, ka mitandrema tsara indrindra, indrindra ireo mampiasa USSD sy Mobile Banking.

Toromarika:

Aza manaiky na inona na inona antso hafahafa.

Tapaho avy hatrany ny antso raha misy tranga mampiahiahy.

Ampahafantaro ny havana, namana ary mpiara-miasa mba ho mailo.

Fanentanana avy amin'ny Vondrona Fiambenana Ara-Teknolojia

Zarao amin'ny rehetra ity hafatra ity mba hiarovana ny hafa! Maro no efa lasibatra!
FIANARANTSOA MANDROSO Ofisialy

Fantatrao ve?Eto Madagasikara no hananganana "  du Futur et de l’Innovation", trano goavana sy maoderina miasa amin’ny a...
07/05/2025

Fantatrao ve?

Eto Madagasikara no hananganana " du Futur et de l’Innovation", trano goavana sy maoderina miasa amin’ny angovo azo havaozina!

Zava-dehibe ho fantatra:

Hisy ao foibe fandraisana fivoriana iraisam-pirenena

Ho ivon-toerana fanofanana amin’ny teknolojia ho an’ny tanora Malagasy

Hisy teknolojia avo lenta, ary hiasa amin’ny herinaratra madio

Tanjona: Vita alohan’ny fivoriana SADC amin’ny Aogositra 2025

Tsy any ivelany intsony no jerena rehefa mitady fanavaozana — eto amin’ny tanintsika mihitsy!

"VOAFAFA TSY NAHY NY SARINAO?"Tsy mampaninona — mbola azo averina izany!Android:1. Sokafy Google Photos2. Mankanesa amin...
07/05/2025

"VOAFAFA TSY NAHY NY SARINAO?"
Tsy mampaninona — mbola azo averina izany!

Android:

1. Sokafy Google Photos

2. Mankanesa amin'ny Trash / Corbeille

3. Safidio ny sary tianao haverina

4. Tsindrio Restore
(Azonao atao mandritra ny 30 andro)

Tsy very foana rehefa mailo!
Zarazarao amin’ny namanao raha nahasoa!

Fantatrao ve?Ny “ ” na fomba maizina amin'ny finday dia tsy hoe mahafinaritra maso fotsiny! Ireto ny tombontsoa azonao a...
06/05/2025

Fantatrao ve?
Ny “ ” na fomba maizina amin'ny finday dia tsy hoe mahafinaritra maso fotsiny! Ireto ny tombontsoa azonao amin'ny fampiasana azy:

Mitsitsy : Sady manampy amin'ny fitazonana ela kokoa ny herin'ny findainao.

Tsara ho an’ny maso: Tsy mampahasorena ny maso amin'ny alina, indrindra rehefa maizina ny manodidina.

Endrika madio sy manara-penitra: Tena mety amin’ny fisehoan’ny app sy tranonkala ankehitriny.

Nampiasa “ ” ve ianao androany?
Lazao ao amin’ny commentaire raha tianao io fomba io!

🙏Ataovy Partager raha Nahaliana anao.

"TSY VOLA NO MAHA-OLONA, FA NY FOMBA FIAINANY SY FITIAVANY NAMANA"Maro amintsika no miezaka manan-karena, nefa adinontsi...
05/05/2025

"TSY VOLA NO MAHA-OLONA, FA NY FOMBA FIAINANY SY FITIAVANY NAMANA"
Maro amintsika no miezaka manan-karena, nefa adinontsika fa misy harena tsy hita maso: fitiavana, fahendrena, faharetana. Raha afaka manome teny mamy, fanampiana na tsiky iray isan’andro ianao, dia manan-karena sahady.

📢Ary ianao, inona no harena sarobidy indrindra eo amin’ny fiainana?

Salama daholo! Ela be isika no tsy nihaona teto amin'ny pejy Mahaliana. Misaotra anareo 1.7k mbola manaraka hatrany. Man...
05/05/2025

Salama daholo!
Ela be isika no tsy nihaona teto amin'ny pejy Mahaliana. Misaotra anareo 1.7k mbola manaraka hatrany. Manomboka androany dia hiverina amin'ny fizarana resaka mahaliana sy torohevitra mahasoa izahay. Raha faly mahita anay miverina, asio 'Like' sy 'Comment' amin'ity lahatsoratra ity!

Address

Tananarivo
Anosizato

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mahaliana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share