30/06/2026
🚨 𝗠𝗜𝗛𝗔𝗠𝗔𝗥𝗢 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢𝗦𝗢𝗞𝗔
Tato ho ato dia maro ireo 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗮𝗻𝘁𝗼𝗻𝘁𝗮𝗻-𝘁𝗮𝗿𝗮𝘁𝗮𝘀𝘆 𝗵𝗼𝘀𝗼𝗸𝗮 miparitaka amin'ny tambajotra sy sehatra samihafa, ka mety hamitaka ny olom-pirenena.
⚠️ 𝗠𝗮𝗻𝗲𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗲𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗺-𝗯𝗼𝗹𝗮 𝗺𝗯𝗮 𝗵𝗼 𝗺𝗮𝗶𝗹𝗼 𝘀𝘆 𝗵𝗶𝘁𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆.
✅✅ Ny fanambarana sy vaovao avoaka amin'ny tranonkala sy pejy ofisialin'ny Minisitera ihany no azo itokisana sy raisina ho manan-kery.
📍Raha sendra mahita antontan-taratasy mampiahiahy na manana fanontaniana momba ny maha-ara-dalàna ny fanambarana iray isika, dia aza misalasala manatona mivantana ireo sampandraharaha mahefa eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola mba hahazoana fanazavana ofisialy.
🫴🇲🇬 Tsiahivina hatrany fa ireto manaraka ireto
ny rohy ofisialy ahazoana ny vaovao marina mahakasika ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐞𝐤𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐦-𝐛𝐨𝐥𝐚 :
🖥️ Site web : https://www.mef.gov.mg/
🛜 Facebook : https://www.facebook.com/MINISITERA
📱Linkedin : https://www.linkedin.com/in/mef-madagasikara-madagascar/
📱 Twitter : https://x.com/ManagerMef