17/02/2026
Namely ny faritra Atsinanana eto Madagasikara ny rivodoza Gezani ny 10 Febroary 2026, ka niteraka fahasimbana goavana indrindra tao Toamasina 🌪️
Olona maherin’ny 270 000 no voakasika, 16 000 no nafindra toerana ary nisy aina maro nafoy. Trano an’arivony rava, sekoly maro simba… Voakasika hatrany amin’ny 85 % ny tanàna.
Na izany aza, miseho ny firaisankina 🤝
Influenceurs, mpanakanto, ONG, mpilatsaka an-tsitrapo ary manampahefana no samy mifanome tanana hanampy ireo traboina. Misy “cagnottes” napetraka, fanangonam-bola ary fanomezana zaraina eny ifotony.
Ankehitriny indrindra no tokony hampisehoana ny tena Fihavanana 🇲🇬
Zava-dehibe ny fanampian’ny tsirairay.
Le cyclone Gezani a frappé l’Est de Madagascar le 10 février 2026, laissant derrière lui des dégâts considérables, notamment à Toamasina 🌪️
Plus de 270 000 personnes touchées, 16 000 déplacées et des dizaines de victimes. Des milliers d’habitations détruites, des écoles endommagées… La ville est impactée à près de 85 %.
Mais face à l’épreuve, la solidarité s’organise 🤝
Influenceurs, artistes, ONG, bénévoles et autorités se mobilisent pour soutenir les sinistrés. Des cagnottes sont en ligne, des dons sont collectés et distribués sur le terrain.
Aujourd’hui plus que jamais, le Fihavanana doit prendre tout son sens 🇲🇬
Chaque geste compte.