An'i Kristy

An'i Kristy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from An'i Kristy, Image Consultant, Antananarivo.

ANAKA, MAHANDRY AHY VE IANAO?ZANAKO,✋Tsy amin-kery na amim-PAHATANJAHANA fa amin’ny Fanahiko hoy Aho.✋Tsy mila TERENA ny...
28/03/2026

ANAKA, MAHANDRY AHY VE IANAO?

ZANAKO,

✋Tsy amin-kery na amim-PAHATANJAHANA fa amin’ny Fanahiko hoy Aho.

✋Tsy mila TERENA ny zavatra efa anatin’ny planiko ho anao. Tsy mila MANERY ho hita, ho re, na ho ANKASITRAHANA ihany koa ianao.

✋Ny FIADANANAO dia manomboka amin’ny fotoana ianao tsy MANERY intsony.

✋Ny zavatra azo amin’ny SAFOTOFOTO sy fipopopopoana matetika HAZONINA amin’ny adin-tsaina sy harerahana ihany koa. Fa izay azo amin’ny FOTOAKO dia hazonin’ny fahasoavako sy ny fiadanako.

✋VARAVARANA firy moa no dondominao mafy, impiry impiry. Nefa Izaho niteny fotsiny hoe : ANDRASO dia MITONIA fa efa an-tànako?

✋Tsy mila ampian’ny ahiahinao ny asa ataoko fa mila anao HIANKINA TANTERAKA Amiko fotsiny.

✋Ny finoana matanjaka indrindra dia mahay MITSAHATRA, tsy mandady amin’izay zavatra tsy avy Amiko. Fa kosa miteny hoe : RAHA HO AHY IO DIA OMEN’NY RAIKO HO AHY ARY TSY MILA MANDRERA-tena mafy aho hahazoako izay efa vitan’Andriamanitra SONIA omena ahy.

✋ZAVA-DOZA ny manery zavatra alohan’ny FOTOANY, manimba ny zavatra tiako amboarina sy AORIANA anaty fiadanana. Tsy misy VOANKAZO hitondra ny TSIRO tadiavinao raha tapahanao amin’ny fotoana tokony HAMATORANY.

✋Rehefa tsy MANERY intsony ianao diq MANASA ny fiasako. Rehefa tsy mipopopopo intsony ianao dia manasa ny FANATREHAKO hialoha anao. Rehefa AVOTSOTRAO ny planinao dia VOTSOTRA eo aminao koa ny ahy. Ary MINOA fa ny planiko tsara lavitra mihoatra noho izay vitanao amin’ny HERIN’NY tenanao.

NY TENA FANETRENTENA dia manaiky fa tsy mahay noho Izaho ANDRIAMANITRAO ianao.

✋AVERENO ANAKA : Tsy mila terena izay efa vita SONIA avy Amiko. Izany no HETSIM-PINOANA lehibe indrindra. Tsy tompon’ny fikotranana Aho fa Tompon’ny fiadanana.

✋Ny FISANDRATANA dia miainga amin’ny fanetrentena ary ny FAHAGAGANA dia ialohavan’ny finoana sy fankatoavana.

✋Tsy mila MANERY, tsy mila MANOTA, fa rehefa MATOTRA ny fotoana hahatanterahan’ny fikasako dia mandroso ho azy eo aminao.

✋MANDEHANA amin’ny hafainganam-pandehako. Ary sahia mivavaka hoe : IDIO izay varavarana tsy avy Amiko rehetra ary IDIO izay mbola tsy tokony hisokatra. Raha tsy nataonao ho ahy dia tsy ILAIKO ihany koa.

NY TENA FAHAGAGANA DIA TSY IZAY MANDRAY AINGANA, fa izay mandray amin’ny fotoan’Andriamanitra izay tsara indrindra.

Rehefa tonga ny fotoana dia MAHITA anao ary MIFIDY anao izay alefako eo amin’ny làlanao satria ANAO IRERY.

Mahereza zanako fa tsy maintsy tonga ny FOTOAKO.

Ilay Andriamanitra mandeha amin’ny famantaranandron’ny LANITRA.

22/11/2025

Dieu n'a pas besoin de courage du pêcheur de poisson, Il a besoin de sa foi . Dieu n'a pas besoin d'ambition, Il a besoin de vision.

_ Matthieu 26: 71-74

22/11/2025

On ne lit pas la bible pour chercher des versets contre les gens, c'est pour trouver des directives pour sa propre vie, celui à qui on doit envoyer des versets durs c'est soi-même ✨

27/06/2025

💜 Andriamanitra manana ny fotoanany ho anao, ny faniriany ho anao, ny planiny ho anao, mila hainao ny mamantatra izany amin’ny alalan’ny fifandraisanao lalina Aminy

💜 Tsy voatery izay tiantsika foana, fa mila manetry tena isika hahalala hoe inona no « tiany » ho ataontsika, inona no « tiany » ho tanteraka amin’ny fiainantsika; amin’ny sehatra rehetra misy antsika satria izay no hitondra antsika lavitra kokoa, tsy mora ary mila faharetana; saingy rehefa vonona isika dia Izy efa vonona mialohantsika

OHABOLANA 19:21
« Maro ny hevitra ao am-pon’ny olona, fa ny fisainan’I Jehovah no haharitra »

03/03/2025

Andriamanitrao no nampahery anao;
Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay o, asehoy ny herinao.

✅ Salamo 68 : 28

25/04/2024

MOFONAINA
25/04/2024
Lioka 11 : 33 - 36

Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava. Ny masonao no jiron'ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao. Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao. Ary amin'izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao.

22/04/2024

"Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy."

Filipiana 4 : 13

11/03/2024

𝘛𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯'𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰 🥰🌿 𝘍𝘪𝘢𝘯𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰 😊

Mety misy fiainana efa mahazatra anao isan'andro ! Fa androany, 'ndao atomboka amin'ny 𝐕𝐀𝐕𝐀𝐊𝐀 🙏 ny fiatrehana ity tontolo andro ity. 😍

· Manana fikasàna, vina, na tanjona ve ianao amin'ny fiainana ?
· Mety efa reraka, kivy na ketraka ?

Fotoana androany handrosoanao amin'ny lalina kokoa, handresena ireo karazana tahotra rehetra, hialàna amin'ny fahazaran-dratsy tsy mitondra fahombiazana, fa indrindra indrindra 𝒉𝒂𝒏𝒐𝒎𝒃𝒐𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒚 ...

💪 fa 𝐯𝐢𝐭𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐢𝐨 😉

Mirary tontolo andro feno fiadanana 🌸

15/09/2022

Tia anao Jesosy💖🙏

04/09/2022

Tsara foana ny fotoan'Andriamanitra
Tsy aloha loatra no tsy tara ihany koa 💖🙏

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when An'i Kristy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share