26/01/2026
Tovolahy 25 taona aho,
Tafiditra tanteraka anaty rong*ny mahery, ny crystal. Tsy afaka miaina mihitsy, fa marary mafy raha tsy mandray dose 2 isan'andro.
Nianatra tsara aho, nahavita bacc avy amin'ny sekoly malaza eto. Manambola ny ray amandreniko nampianatra ahy tao.
Tamin'ny namako taloha, tamin'izaho mbola 20 taona, no nahazoako azy io. Anniversaire-ko no nanomezany ahy hoe mba handramana. Nomeny gratuit tamin'izany, ary in 5 nomeny foana tsy nandoa vola.
Fijeriko azy dia nokendreny manokana mihitsy aho satria fantany fa nanambola ka mety tsara ho client. Efa tafiditra tanteraka aho izay vao noteneniny fa vidiana izy io, ary lafo. 20 000 Ar no vidiny.
Nihapotika ny fiainako nanomboka tamin'ny nahatafiditra ahy tamin'io.
Tsy maharitra ela ny asa, nefa aho mahay, ny fahasalamana atahorana foana, ny vola lany manginy fotsiny.
Tena maniry hiala aho, efa nentina dokotera kanefa tafaverina ihany avy eo. Tsapako tsy ampy lay fanafody fotsiny, fa mila soutien psychologique. Ny eto amintsika nefa toa voa maika voahilika rehefa hoe drogué, tsy tsapan'olona hoe victime fa tonga dia hoe olon-dratsy. Ny raiamandreniko efa kivy ary niala maina satria tafaverina foana aho rehefa avy nentina desintoxication. Tsy mipetraka ao amin izy ireo intsony aho.
Manana fanantenana aho hoe tsy maintsy tafala amin'io. Fa misokatra ho an'izay manana torohevitra, na fanampiana azoko raisina. Misy ve psychologue mandray azy io, misy olona ve efa tafala dia ahoana nataony, mba omeo torohevitra tompoko.
Mizara ny tantarako koa aho mba ho hanatra ho an'ireo tanora hafa. Aza manaiky na dia hanandrana fotsiny aza fa ratsy io, tena ratsy. Aleo very namana toy izay tafiditra amin'io.