01/03/2024
torohevitra androany ity.
1. Forony ny asanao ary mifantoha.
Io no torohevitro voalohany satria maninona ?
Tsy ianao no mibaiko anao raha ianao miasa amin'olona ka mety ho voaroaka ianao na androany fa raha ianao kosa no mamorona ny anao dia azonao antoka fa hitohy foana ny fiasanao ao satria ianao no mibaiko.
2. Aza mijanona amin'ny fidiram-bola iray
Zarazao foana ny lalan'ny fidiram-bola satria maninona ?
Raha iray fotsiny ny fidiram-bolanao ka misy fotoana na loza tampoka mety tsy hampandeha azy dia lasa tsisy fidiram-bola intsony ianao.
Raha mbola miasa amin'olona dia mamorona vadin'asa hafa
Raha efa manana asa kosa dia mamorona fidiram-bola hafa.
3. Mianara foana.
Nahoana ianao no mila mianatra foana ?
Satria ny olona manana fidiram-bola tsy mijanona dia olona manana fahalalana, olona misoka-tsaina, olona mahatakatra ary betsaka ny zavatra tokony ho hay manodidina ny asanao toy ny marketing, varotra
Ny marketing io no ilainao mba hampitombo foana ny olona mahafantatra anao raha ianao mamorona asa hoanao ary mila mitombo foana io isambolana
Ny fahaizana mivarotra kosa no hampitombo ny zavatra lafonao foana fa tsy mihena dia maty ny orinasa kely avy eo.
Vitantsika io raha tena ao anatitsika ny hananana fidiram-bola tsy mijanona.
partageo fa mety anampy ny afa ity torohevitra ity.
Aza adino no manao j'aime page.