19/07/2026
Misy sary roa ireto
Ny 1 mbola tamin'izaho tao anaty depression sy ny dépendance affective ny 1 efa tafavoka tao anatin'izay rehetra izay.
Talohan'ny niarahako tamin'ny vadiko dia tena niaina be tanaty depression sy dépendance affective. Tsy ho tantaraiko betsaka fa tena azo lazaina hoe narary saina sy tena niferon'aina lava foana... 😣😣😥
Misy namako iray izay tena fitantarako ny nanjo ahy kopa tanana ho azy . Izahay roa tena mifanalavitra izy tany Fort Dauphin izaho taty tana. Namana vehivavy io. Fa tena sady iraky ny tao ambony nanafaka ahy tamin'ny zavatra rehetra.
Fa izao. Tena nanampy be ahy ny famoahako izay navesatra taty amiko. Satria izaho efa te iala tamin'ny zavatra niainako. Fa tena tsy tafavoaka mihitsy eeh 😥 Satria nataoatra aho hoe vao miala amin'ity izaho dia mety very sns 🤧🤧
Nandeha teny fotoana dia hoy ilay namako hoe ity misy olona fa mety amin'indry io dia andana miona aminy 😅😅😅
Fotoana iray tsy adino mandrakizay io fotoana io satria teo no nanomboka ny tantara 😅😅
Dia niona dia avy eo izy tsy tiko mihitsy 🤣🤣🤣 dia tsy niresaka elabe efa ela
Dia avy eo nataon'ny anjara tafaona teny ihany 🥰 dia lasa mpivady ❤️
Be dia be ny zavatra nolalavoka vao tojo azy aho.
Fa zavatra iray fotsiny azo lazaiko hoe tafiala tanatin'ilay rarin- tsaina be aho. Dia tafiala tamin'ilay dependance affective ihany koa 🥰
Mo izy tena nanampy be ahy tamin'ny ara moraly sy ny hevitra rehetra 🥰izay isaorako manokana azy ❤️
Mbola lava be raha tantaraina eto daholo fa izao ny hafatra.
Sahia mandray fanapa-kevitra amin'ny fiainana sy izay mahasoa anao. Aza ampijalina ny vatanao sy sainao fa rehefa hitanao fa tsy mety. De ajanony . Rehefa hita hoe tena mamono ilay ao anatinao ao tena efa potika dia tena ajanony 😓
Rehefa misy opportunité dia aza lavina fa tena tsy hainao mihitsy izay anjara oman'ny fiainana anao ☺️☺️
Anisany tena nanova be ny fiainako ny fanapa-kevitra norasaiko . Nanana ny fahatokosatenako amin'izay aho. Nahay nandray fanapa- kevitra tsara aho satria tena sitrana 🙏
Averiko foana hoe ny tantaranao omaly tsy mamaritra anao androany.
Mahaiza mitondra tsara ny fiainana 🥰🥰🥰
Dia izao . Toriteny azoko anio hoe safidio tsara izay ho namana. Mila namana ianao fa tsy vitanao irery fiainana. Mahaiza manavaka ny tena namana sy ny mody namana 🥰🥰🥰
Am pitiavana be 🌸