25/12/2023
MIARAHABA ANAREO NAMANA REHETRA TRATRY NY NOELY SY HO TRATRY NY TAOM-BAOVAO 2024
-Ho tahaka irony noely sy taom-baovao androm-boninahitra, ny tanety hitafy maitso, ny lohasaha hanjary volory
- Ho tahaka irony voarabe eny an-tsaha ka izay tarafinao ho maitso, ny halofanao ho mavana
- Ho tahaka ny rano ambodivondrona,tsy ho dison'ny sambatra, tsy hilaozan'ny mananjara
- Ho tahaka ilay mponin'Antsirabe: hitraka hioty paoma, hiondrika hanangona ovy, hianavaratra ho voky ronono, hiankandrefana ho voky tantely, hiantsinana hivangongoan'ny soa, hianatsimo hitoeran'ny tsara.
- Hangidy lavitry ny faty fa ho mamy tian'ny vola!
- Ho fary tsy laitram-positra, ho vomanga tsy laitran'ny tsatoka, ho ravina tsy laitram-panala
- Ho tahaka ny mpanarivo roa ray, ka tsy ho very mandeha amin'ny lalan-kizorana
- Tsy ho diso teny an-tsapanana, tsy ho kaikerin'amboa kely tiana, ho lavitry ny mpamahan-dalitra, tsy hivadian'ny olona hitokiana
- Hifanatitra amim-bady hisy hiadanana, hifanatitra amin-janaka hisy hiafarana
- Izay tsy tia anao anie mba ho tia fa izay tia moa efa tia rahateo
- Ho tojo taon-jina tsy laitran'atambo ianao ka hambinim-bavaka sy handairan-tso-drano amin'izay atao rehetra!