03/02/2025
Torohevitra 5 Mahomby Amin’ny Fivarotana eto amin’ny Facebook
1️⃣ Manokàna page professionnelle sy manintona :
Ny fahitana anao voalohany no zava-dehibe ka mampiasà photo de profil sy photo de couverture izay maneho tsara ny asa na ny varotra ataonao. Aza adino ny manampy famaritana fohy sy ny mombanao mba hanamora ny fifandraisanao amin'ny client
2️⃣ Mamoaha publication tsara foana :
Zarao ny sary na horonan-tsary momba ny vokatrao, témoignage ataon'ny client , na torohevitra fabampiny mifandraika amin’ny sehatra misy anao. Raha mavitrika foana ianao, dia hifandray matetika kokoa amin'ireo mpanaraka anao.
3️⃣ Ampiasao ny Facebook Marketplace sy ny groupe :
Ireo fitaovana ireo dia tsara ho an’ny fahazoana mpanjifa akaiky anao. Ataovy mazava tsara ny famaritana sy ny fampisehoana ny vokatrao amin’ny alalan’ny sary manintona.
4️⃣ Mifandray amin’ny mpanjifa :
Valio haingana ny fanontaniana sy ny message . Asehoy fa vonona hanampy sy hifanerasera aminy ianao, satria manampy amin’ny fananganana fitokisana izany.
5️⃣ Manaova boost:
Mety hanampy anao hahatratra olona maro kokoa ny fanaovana dokambarotra (boost). Ataovy izay hifantohany Facebook amin’ny sokajin’olona tianao ho tratra, arakaraka ny taona, ny tombontsoa, ary ny toerana.
Io ilay ataotsika hoe ciblage avancé
Ireo olona hanao formation ato aminay dia ahazo ireo fampianarana rehetra ireo ary irei efa nianatra dia presque efa mahafehy azy
💬 Ary ianao, inona ny torohevitra tsara indrindra azonao zaraina amin’ny fivarotana an-tserasera ? Zarao eto amin’ny commentaire !