Governora Faritr'Itasy

Governora Faritr'Itasy Page Governora Faritra Itasy

Fanombohana ofisialy ny fanamboarana lalana mampitohy kaominina Miarinarivo I- Miarinarivo II ary Ambatomanjaka.      No...
19/05/2022

Fanombohana ofisialy ny fanamboarana lalana mampitohy kaominina Miarinarivo I- Miarinarivo II ary Ambatomanjaka.
Noho ny fahamehana dia natao androany ny lanonana manamarika amin'ny fomba ofisialy ny fanombohana ny fanamboarana ny lalana mampitohy ny kaominina Miarinarivo I-Miarinarivo II ary Ambatomanjaka.
Ny governora ny faritra Itasy Maherizo Andriamanana niaraka tamin'ny Ben'ny tanana Miarinarivo I sy II no nitarika ny fotoana ary notronin'ireo maires maromaro avy aty amin'ny distrikan'i Miarinarivo sy Soavinandriana ary Arivonimamo niampy ireo Tale rezionaly eto an-toerana sy ny sefom-pokontany.
Nanamafy ny governora fa fanatanterahana ny velirano faha-11 nataon'Andriamatoa Andry Rajoelina izao fanamboarana lalana izao indrindra ny afahan'ny kaominina maromaro mifandray (intercommunale) koa hisaorana tanteraka ny Filoha Andry Rajoelina satria tsy tanteraka ny fanamboarana raha tsy nisy ny fankatoavany amin'ny maha tetikasam-panjakana an'io.
Nisaotra ihany koa ny Minisitry ny fambolena sy fiompiana; ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ary ny CASEF izay angady nananana sy vy nahitana io foto-drafitr'asa io.
Nanamafy tamn'ny President Directeur General-n'ny entreprise ny governora ny amin'ny tokony handraisan'ny orinasa hiasa ireo tanora aty an-toerana ary tsy nanda izany io Pdg io. Ny fahavitan'ny lalana ahafahan'ny olona sy ny vokatra mivezivezy no zava-dehibe hoy ny governora.
"FARITRA ITASY VONONA KA TSY MAINTSY MANDROSO".

HO FANATANTERAHANA NY VELIRANO FAHA-11 NATAON’ANDRIAMATOA ANDRY RAJOELINA, FILOHAN’NY REPOBLIKA, NY FARITRA ITASY DIA MA...
23/04/2022

HO FANATANTERAHANA NY VELIRANO FAHA-11 NATAON’ANDRIAMATOA ANDRY RAJOELINA, FILOHAN’NY REPOBLIKA, NY FARITRA ITASY DIA MANATEVINA IREO EKIPA MPANAMBOATRA LALANA MBA HANAFAINGANANA NY FAMPANDROSOANA ATO AMIN’NY FARITRA, KOA MIANTSO IREO IZAY MAHAFENO FEPETRA ARAKA ITY TOLOTRASA ITY.

Ny fahasalamana no voalohan-karena,Nahazo kidoro sy fonon-kidoro vaovao ny CSBII Antambolo, District Arivonimamo. Araka ...
19/12/2021

Ny fahasalamana no voalohan-karena,

Nahazo kidoro sy fonon-kidoro vaovao ny CSBII Antambolo, District Arivonimamo.
Araka ny fangatahan'Andriamatoa Zoky Andry Depiote voafidy tao amin'ny distrika Arivonimamo, dia nanolotra kidoro sy fono-kidoro hamonosana ireo kidoro mbola azo ampiasaina ho an’ny CSB2 ao amin'io kaominina voalaza io ny Governoran’Itasy Maherizo Andriamanana. Nampanantena ihany koa ny tenany fa hanorina lakozia ho fandrahoan’ireo mpitondra marary sy mpiteraka sakafo izay tsy mbola nisy hatramizay fa kosa ny fitaovana misy eny an-toerana toy ny biriky, vato sns dia ny kaominina sy ny fokonolona no miantoka azy fa ny simenitra fanitso varavarana sns no any faritra, ny fampandraisana andraikitra ny eny ifotony no isany paikady napetraky ny governora. Izao no natao hoy izy dia ho fanatanterahana ny velirano faha-5 nataon’ny Filoha Andry Rajoelina . Maneho fisaorana erampo erantsaina ny Association Angela izay nanolotra ny kidoro ary tsy vao sambany ny fanaovany asa soa aty amin'ny faritra.
FARITRA ITASY VONONA, KA TSY MAINTSY MANDROSO.

Address

Hotel De La Région Itasy
Miarinarivo
117

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Governora Faritr'Itasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Governora Faritr'Itasy:

Share