28/08/2023
Stratégie 03 ny fiainana mihatsara.
Ny olona rehetra dia samy maniry ny hanana fiainana tsara avokoa. Fa ny faniriana dia tsy ampy fa ilaina stratégie sy arahina hetrika izany.
1️⃣ Manana tanjona ho tratrarina isambolana.
Vao manomboka ny volana dia apetraho indray ny tanjona tianao ho tratrarina mandritrany iray volana.
Farito mazava izany. Tsidiho ity lien ity fa manazava ny atao hoe Objectif S.M.A.R.T aho ato. 👇
https://m.facebook.com/story.php?story_fbid=186700564406526&id=100091997495562&mibextid=Nif5oz
2️⃣ Aza manaiky ny hiala @ ilay tanjona.
Misy fomba fiteny izay manao hoe : Ny planina azo ovaina fa ny tanjona tsy azo ovaina.
Ny tanjona Dia tahaka ny destination iray. Mety maro ny lalana hatongavana any fa ny destination iray ihany.
Aza manaiky ho variana ka hanalivitra anao @ tanjonao. Ifantohy hatrany izany.
3️⃣ Manana fifehezantena manokana.
Tsy ho tratranao ny tanjonao raha tsy manana fifehezantena ianao.
Io no manampy anao handroso ary ho tody soa any @ destination nao (tanjonao)
Ny fiananao sy fanarahanao ny tanjonao no porofo fa vonona ianao hanatratra ny tanjona napetrakao ho an'ilay volana.
P.S: Raha nahasoa anao ity fizarana ity dia mba zarao ho any hafa koa mba hahasoa azy.
Mirary herin'andro mahafinaritra ho anao ❤️